Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy iray avy any Soanieran’Ivongo, nisoloky vola mitentina 5 300 000 Ar tao Mandritsara. Mpiara-miasa tamin’io lehilahy io ihany, tamin’ny alalan’ny fividianana jirofo ity nambakainy ity. Nentiny nandositra anefa ny volabe. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nataon’ny polisy ny fanadihadiana. Vokany, voasambotra ilay mpisoloky. “Tsy avelanay hanjakan’ny mpanao ratsy eto Mandritsara ary vonona izahay mpitandro filamainana hamongotra ireo dahalo”, hoy ny lehiben’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.