Hafahafa, mila tony

 

Ohatra ny hoe mafampana tsy hay atao ahoana izany ilay raharaham-pirenena. Ny eny Tsimbazaza, milaza ny hanao ny hataony. Ny eny Mahazoarivo, tsy hay mazava na hoe ho soloina na tsia. Samy mihazoazo, tsy hay mazava hoe manao inona na iza no manao inona. Ohatra ny efa misamboaravoara sahady ilay raharaha manga, araka ny famakafakana tsotra ny zava-miseho. Enga anie ka ho diso izany satria ho raharaha be!
Misahotakotaka izany ilay fifandraisana amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Tena izy koa ve sa kisarisary ihany? Tsy tokony hijanona amin’ny resa-tseza tahaka izany samy irery akory fa mila mivelatra misimisy kokoa amin’ny tontolo hafa. Ilay fifanintsanana dia mila mipaka any amin’ilay resaka kolikoly avo lenta. Toky rahateo no nomen’ny filoha ho an’ny vahoaka ka mba tokony hiara-mirona ny rehetra.
Tsy azo hamaivanina ny olana sedrain’ny vahoaka isan’andro. Indrindra ny tanora, izay efa tompon’antoka feno amin’ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’i Madaga­sikara. Maro ny fifaninanana hidirana mpiasam-panja­kana ambony, ankehitriny. Eo am-piandrasana ny valiny ny mpiadina. Asa ho sahin’ny mpitondra ve ny hamoaka valim-panadinana tsy ahitana taratra lova tsy mifindra? Olana lehibe nosedraina hatrizay izany. Ho an’ny “mahitahita” ny fahombiazana.
Nitaky fanovana ny tanora, manantena mba hanana herijika mitovy avokoa amin’ny fifaninanana na fanadinam-panjakana. Nampanantena mangaraharaha sy fanadinana madio ny minisitera isan-tsokajiny ka ho hita eo izany. Efa vanim-potoana fiandrasana ny vokatra izao. Tsy tokony hisy ny pitik’afo, sanatria hampiredareda ny afo efa mitady hahazo vahana amin’ny resaka politika. Mendrika ny ho tafita rehefa tanora nitafy fikirizana sy herim-po.

r.r

Partager sur: