“Ny paikadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra dia hoe hajanona ny tetibolam-panjakana tsy misy akony any amin’ny fiainam-bahoaka”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Gascar Fenosoa, tamin’ny mpanao gazety, teny Mahazoarivo, omaly, momba ny fivoriana mihiboka nataon’ny governemata ny amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027.
Mifantoka manokana amin’ ny tombana ny minisitera tsirairay avy amin’izany, fa ny Praiminisitra sy ny primatiora no tomponandraikitra voalohany. Hatramin’izay, saika nandeha ho azy amin’izao fotsiny ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary manangan-tanana fotsiny ny Antenimierampirenena.
Hanova tetibola araka ny laharam-pahamehana amin’ny filan’ny vahoaka ny governemanta amin’izao fanavaozana izao. Eo koa ny tetibola afa-mitondra fampandrosoana isaky ny Faritra. Ho an’ny tanàn-dehibe, eo ireo hetsika sosialy izay ataon’ny filohan’ny Fanavaozana hita tamin’ny fotoany. Tsy maintsy hatao mifandraika amin’izay ny tetibolam-panjakana 2027. Handinihina amin’ny antsipiriany ny tetibolan’ny minisitera tsirairay avy ny fivoriana mihiboka. Tsy natao holaniana fotsiny ny tetibolam-panjakana, fa hamaly ny filan’ny vahoaka. Efa nisy asa telo volana mialoha niaraka tamin’ireo mpisehatra momba ny tetibolam-panjakana ny fanomanana asa ny amin’izany.
R. Nd.





