Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny teratany tanzaniana iray tra-tehaka tetsy amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Voarohirohy ho anisan’ireo mpanao trafika sokatra sy mpanondrana izany antsokosoko any ivelany izy io. Voasambotra ny 17 oktobra 2026 lasa teo ny tenany, raha nikasa hiditra teto Madagasikara. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny trafika sokatra miisa 1552 tany Manja sy 766 tany Mahajanga tamin’ny taona 2025 izy.
Vazaha iray nandeha niantsena no norobain’ny jiolahy miisa roa, omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora teny Antsakaviro. Nandeha moto izy tamin’izany. Voaroba ny kitapo nobabeny sy ny kitapo nisy vola ary finday. Avy ao amin’ny tranombarotra lehibe iray tetsy Tsiadana ity vahiny ity no narahina roa lahy tamin’ny moto skotera. Nosakanan’ireo olon-dratsy ity farany rehefa tonga teny amin’ny toerana mangina ary norobainy.
Lehilahy telo no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny DRSP Anôsy, ny 16 oktobra 2026 lasa teo. Voarohirohy ho nitondra taolam-paty iray gony izy ireo. Nisy fasana vaky tany Taviala, kaominina ambanivohitra Manambaro. Nitadiavana mpividy tao Taolagnaro izany. Niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha, ny 20 oktobra 2026 ary naiditra vonjimaika any am-ponja avokoa izy rehetra.
Mpangalatra moto raindahiny no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP 03 Antaninandro, ny 19 oktobra 2026 teo. Tratra niaraka tamin’ny moto halatra izy io. Nangalariny teo amin’ny fiantsonana Andravoahangy ny moto Kymco G5 Megafi. Azo sary tamin’ny camera de surveillance izy ka nanamora ny fikarohana azy. Mampiasa fanalahidy maro be «passe-partout » izy ary mitety fiantsonana ny tenany.





