« Andron’ny Fifanarahana » : Fiaraha-miasan’ny Medd amin’ny mpiara-miombon’antoka miisa 30

Nanomboka ny zoma 16 oktobra teo ny fankalazana ny « Andron’ny fifanarahana », ho an’ny sehatry ny tontolo iainana. Nofaranana, omaly, tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra samihafa ny hetsika.

Nohamafisina, omaly, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Miisa 30 izy ireo no nanatanteraka izany, ahitana andrimpanjakana, fikambanana, sehatra tsy miankina, oniversite, mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Mivelatra amin’ny sehatra maro ireo fiaraha-miasa ireo. Toy ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fanentanana ny tanora, ny fikarohana siantifika, ny fiarovana ny zavamananaina, ny fanarenana ny ala sy ny ala honko, ny fitantanana fako, ny fampiroboroboana ny toekarena mihodina, sns.
Mifanandrify amin’ny ivon’ny fankalazana ny «Andron’ny fifanarahana» ity notontosaina, omaly 21 oktobra, ity. Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana, Andriatsihala Luck Aristide, fa tsy andraikitry ny minisitera irery ny fiarovana ny tontolo iainana, fa adidy iombonan’ny rehetra. Koa, izany no anisan’ny anton’izao fa­naovan-tsonia fiaraha-miasa izao. Satria, ilaina ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra, manomboka any amin’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora, ny mpika­roka, ny mpandraharaha, ny haino aman-jery, hatrany amin’ireo mpiara-miombon’ antoka.

Fampiharana ny lalàna
Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ny asa atao any amin’ny vahoaka, miteraka tombontsoa azo tsapain-tanana, indrindra ireo mponina manodidina an’ireny rohivoahary ireny. Notsindrin’ny minisitra manokana ny hampiharana ny lalàna sy ny fanasaziana mafy ireo tratra mandika azy. Laharam-pahamehana ny fampiasana ny siansa, ny niomerika, ny teknolojia vaovao, hanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana. «Azo tratrarina ny tanjona iombonana hikajiana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana maharitra, rehefa miray hina ny tsirairay», hoy ihany ny minisitra.

Njaka A.

Partager sur: