Vehivavy misehatra amin’ny fiompiana sy asa tanana nisitraka fiofanana momba ny fandraharahana. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo sy hanatsarana ny fitantanana ny asany. Nifantoka tamin’ny fampiasana fitaovana tsotra sy azo hampiharina amin’ny fitantanana ny tetikasa ny fiofanana natao. Novoaboasana tao anatin’izany ny handrindrana ny asa, ny fanaraha-maso ny fandaniana, ny fitantanam-bola ary ny tombombarotra. Kendrena manokana ny hanampiana ireo vehivavy hahay hitantana sy hampahomby ny tetikasany, mba hampiroboroboana ny fandraharahana sy hanamafisana ny fahaleovantenany ara-toekarena. Tantsoroka nataon’ny Maison de l’entrepreneuriat (MDE), ny ONG Valoria, ny Ceere ary Orange Digital Center hanohanana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha, ny hetsika natao. Misongadina ao anatin’ny fiaraha-miasan’ity rafitra ity ny fanohanana ireo mpisehatra eny ifotony. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy hampiroboroboany ny orinasany.
Toekarena
Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny orinasa madinika sy salantsalany. Mipetraka ho vaindohan-draharaha hatrany ny hanohanana ny fandraharahana, indrindra ireo tetikasa tantanin’ny vehivavy. Ankilany, soa fanararaotra ho an’i Madagasikara ny fananana tanora azo hofanina ho an’ny fampandrosoana ny firenena.
Henintsoa





