Lehilahy roa samy nitondra bisikileta nitondra sokatra miisa 50 tany Ankiroa, fokontany Beahitse, distrika Ampanihy, ny fiandohan’ny herinandro teo. Vaky nandositra izy roa lahy, raha vao nahita ireo zandarin’Ampanihy avy lavitra. Natolotra ny tomponandraikitry ny Madagascar National Parks (MNP) any Beahitse ireo sokatra, mialoha ny handefasana azy ireo any amin’ny toerana misy azy. Karohina kosa ireo tompon’antoka amin’ity raharaha ity.
Nahazo jiro Cobra miisa 150 ny distrika Ihosy, Iakora, Ivohibe. Avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ireo kojakoja ireo, entina hanazavana ny tanàna sy ny arabe. Hanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy ho fiahiana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Ihorombe ihany koa.
Voatendry ho Tale jeneraly (DG) vaovao ny Madarail Rakotondrajaona Luc. Natao ny talata 20 oktobra teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny DG teo aloha, sy taminy. Nanatrika ny fotoana ny mpiasa tao Soarano, ny solontenan’ny faritra, ny mpiasa mpikojakoja ny lalamby Somatrafer, ireo zokiolona efa
misotro ronono, sns. Teo koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana, ny ATT, ny Administratera delege (AD) ny RNCFM, sy ny hafa.





