Hotanterahina rahampitso zoma 23 oktobra, any Antsirabe, ny andiany faha-9 amin’ny “Tanora mamiratra ka manavao”. Vonona amin’ny fandraisana izany i Antsirabe, ka ao amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina no hanaovana ny hetsika. Fotoana iray hanamafisana ny fahaiza-mitarika sy hampiroboroboana ny tanora malagasy amin’io. Tanjona sy votoatin’ny hetsika ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao ho amin’ny fiovana miabo. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo tombontsoa sy fahafahana azo trandrahina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mba hampamirapiratra ny tanora malagasy. Ankoatra izay, hisy ny fanentanana sy fifampizarana amin’ny lohahevitra samihafa, ho fampivelarana ny fahaiza-manao sy ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fiarahamonina. Ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) no mikarakara ny hetsika. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka ny Tafa Madagasikara, izay niantso ireo tanora ho tonga maro satria ny tanora no antoky ny fampandrosoana.
Mi.Raz





