Nambara tetsy Antanimena, omaly, fa hisy ny hetsika fiaraha-mientan’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana sy ny Rotary, hiadiana amin’ny lefakozatra. Ho fanamarihana izany, hisy ny diabe ho an’ny besinimaro, izay hotontosaina eto an-dRenivohitra, ny sabotsy 24 oktobra 2026 ho avy izao. Manentana ny rehetra, araka izany, ny mpikarakara mba handray anjara ho famongorana ny lefakozatra, izay aretina matetika mahazo ny ankizy latsaky ny dimy taona. Ny Rotary izay efa nandray anjara tamin’ity ady ity, hatramin’ny taona 1979, ary mbola manohy ny ezaka amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny sy ny fanentanana ny fiarahamonina. Araka ny fanazavana nentin’ireo mpikarakara, tafiditra ao anatin’ny ezaka nasionaly hampitsaharana ny fiparitahan’ity aretina ity, ny hetsika. Tsiahivina fa efa nisy ny fanentanana momba ny fanaovana vaksiny sy ny fanomezana vitamina A, ho an’ireo ankizy, natao ny 5-9 oktobra lasa teo, manerana ny faritra 23 eto Madagasikara. Marihina fa manohana izany ihany koa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fanatanterahana ny fanaovana vaksiny. Nohamafisin’ny Rotary fa tsy ho tratra ny tanjona raha tsy misy ny fandraisana anjaran’ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina manontolo.
Fitia Randria





