Anisan’ny tetikasa goavana amin’ny lafiny famatsiana herinaratra ny Ivolobe sy ny Sahofika, samy iarahana
amin’ny orinasa tsy miankina. Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, omaly, fa misy singa mbola alamina ao anatin’ny fifanarahana amin’ireo roa ireo iarahana amin’ireo orinasa tsy miankina ao anatiny. Isan’izany ny lafiny ara-bola sy ny masonkarena. «Satria tanjon’ny fanjakana malagasy ny mitsinjo ny soa sy ny mamy ho an’ny taranaka. Mila jerena ny antsipiriany rehetra amin’ny tetikasa goavana toy itony, izay haharitra aman-jato taona», hoy ihany izy. Nomarihin’ny minisitra koa fa tsy maintsy hisy ny andiany fahatelo, Prirtem III.
120 MW sy 100 MW
Efa tamin’ny taona 2019 ny namolavolana ny tetikasa Ivolobe any Toamasina. Ho tanterahan’ny orinasa Compagnie générale d’hydroéléctricité (CGHV), ahitana mpiray ombon’antoka efatra (Jovena Axian, Colas, SN Power ary ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana na Bad). Famokarana tohodrano mamokatra herinaratra 120 MW sy vokatra 750 GWh isan-taona.
Efa tamin’ny taona 2015 kosa ny namolavolana ny tetikasa Sahofika, miainga any amin’ny reniranon’i Onive, any atsinanan’Antsirabe. Natao sonia ny jolay 2018 ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana sy ny vondrona orinasa Eiffage-Eranove-HIER, taorian’ny antso tolobidy iraisam-pirenena hoan’izay hanatanteraka ny asa. Maherin’ny 100 MW ny herinaratra ho vokarina, hanana vokatra 1.500 GWh isan-taona.
Njaka A.