Niroso amin’ny dingana voalohany ho amin’ny famondronan-kery sy ho fikarohana vahaolana manoloana izao toe-draharaha izao ny eo anivon’ny Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena (DFP). Nambaran’ny mpitarika sy mpandrindra, Ratolojanahary Maharavo « Doudou » fa ilaina ny fanovana ny rafi-piarahamonina sy ny rafi-pifidianana. « Fototry ny krizy nifandimby teto ny fihazakazahana any amin’ny fifidianana, taorian’ny tolona. Tsy mbola tena manomboka akory anefa ny tena fanorenana ifotony. Efa misy mitarika ho any amin’ny fifidianana ny mpanao politika. Tsy misy fiovana anefa eto ka ahina hiongana ny mpitondra eo afaka roa taona », hoy izy. Nanteriny fa manana ny maha isika antsika isika eo amin’ny fiarahamonina ary manana rafitra miavaka, fa noravan’ny mpanjanaka. Tsy haka tahaka befahatany ny demokrasia vahiny na fivoizana zon’olombelona isika, araka ny nambarany. « Miteraka tsy fitoviana izany ary very ny fahefana hareny ifotony. Tsy ahafahana mandeha amin’ny fanorenana ifotony izany », hoy izy.
Momba ny Ceni kosa, mbola nohamafisiny fa tsy mety io rafitra mikarakara fifidianana io. Tsy mifandray amin’ ny maha Malagasy antsika izany, araka ny nambarany. « Hatsaraina io ka aorian’ny fikaonandoham-pirenena vao hirosoana ny fifidianana. Hapetraka aorian’izany ny Lalàmpanorenana vaovao sy ny datim-pifidianana », hoy izy.
Mbola hiantso ireo rehetra mitovy hevitra aminy ny DFP ary handravona ireo hevitra itoviana hoentina amin’ny fikaonandoha.
Synèse R.





