Nanome toromarika mba hanaovan’ireo minisitra tsirairay fandaharana ao amin’ny TVM ny filohan’ ny Fanavaozana. Hamelabelatra ny stratejia hiadiana amin’ny kolikoly sy ireo fandaharanasa tanterahina eo amin’ny sehatra iandraiketany avy izy ireo. Hisy olom-pirenena handray anjara amin’izany ka afaka mametraka fanontaniana sy manome sosokevitra.
Nambaran’ny Pr Ratsimbazafy Jonah fa sakanan’ny Pac indray ny filoham-panjakana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly. Nanteriny fa mahagaga ny nampiatoan’ny Pac ny fanenjehana ireo mpitondra teo aloha voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ka mahavoarohirohy an-dRajoelina sy i Ntsay Christian…
Mpiasam-panjakana ambony miisa telo nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Anisan’izany ny talen’ny fandraharahana ny fonja, ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny tale misahana ny fitantanana ny ara-bola ary ny tale misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
Miisa 15 no voarohirohy tamin’ilay raharaha famoahana sinoa 11 tany am-ponja tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, araka ny tatitra nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, nandritra ny filankevitry ny minisitra. Mbola tazonina sy arahi-maso eny anivon’ny zandary izy ireo amin’izao fotoana izao.





