Fotodrafitrasa -CUA: nahazo 10 tapitrisa euros avy amin’ny AFD

Nifanaraka omaly, ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny vola, tamin’ny AFD (Agence française du dé­veloppement) ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto an-dRenivohitra. Nanome vola 10 tapitrisa euros ity farany. Ho enti-manatsara ny fiainan’ny mponina ihany koa izany, ankoatra ny fandaharanasa iray ho an’ny fivezivezena eto Antananarivo Reni­vo­hitra, sy ahafahana mitandro ireo fitaovana natao ho an’izany.
Hamafisina ny fandrindràna ny asa, hatsaraina ny lafiny teknika sy hatao izay maha ampy ireo fitaovana fampiasa ary hatevenina ny fifandraisana amin’Antananarivo Reni­vo­hitra (CUA). Hatao hita ma­so ny fanohanana avy amin’ ny tetikasa iarahana mamolavola sy manamboatra amin’ny mponina, ary mampisy fanajariana ao aminy.
Izany famatsiam-bola avy amin’ny AFD izany dia momba ny fiarovana ny fivezivezena. Anisan’ny asa atao ny fanitarana ny moron-dalana ahitana mpandeha an-tongotra maro, sy azo handeha­nan’ny bisikileta. Faharoa, fanampiana ny CUA amin’ny lafiny teknika, ary fahatelo, fanajariana madinidinika ho fampandrosoana ny manodidina, homena sahanin’ny firaisamonina sivily sy ny mpo­nina.
Marihina fa 10 tapitrisa euros, famatsiam-bola avy amin’ny AFD, ka 8,3 tapitrisa euros natao sonia, 1,2 tapitrisa fanampiana mivantana ny Gret, ary 500 000 euros ho an’ny birao mpanao fanadihadiana.

Ndrina

Partager sur: