Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpanao teatra malagasy FMTM. Ao anatin’ny efatra herinandro, tantara 4 samy manana ny mampiavaka azy no holalaovina an-tsehatra ao amin’ny efitrano Théâtre Charles Ravaloson Ivokolo Analakely. Ny sabotsy 14 novambra, fiakarana an-tsehatra miaraka amin’ny tropy Randrana. Ny 21 novambra, ny tropy Jeannette hampiaina an-tsehatra ny «Marie Rose». Tantaram-pitiavana mahatsikaiky nosoratan-dRasamy Gitara. Haneho ihany koa ny hakanton’ny rindrankira teatraly. Ny sabotsy 5 desambra, hilalao ny «Tsy maty paika voatondro iray», nosoratan’i Faustin Raharison, ny tropy Orimbato. Ny «Sakaizan’ny teatra» kosa no hampiaina ilay tantara «Ilay fitaratro», nosoratan’i Calie (Michèle Razafimahay), ny sabotsy 12 desambra. Samy
amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro avokoa ny fanombohan’ireo, raha ny nambaran-dry zareo ao amin’ny FMTM.
Fantatra fa nandray anjara lehibe tamin’ny fanabeazana maha olom-banona ny teatra, fahiny.
HaRy Razafindrakoto





