Mitohy ny fahitana fatin’olona eny an-dalambe tato ho ato. Lehilahy iray maty teny an-tanimboly, tany Antanetibe, omaly. Ahina ho hatsiaka diso tafahoatra no nahatonga izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo.
Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita faty teny an-tanimboly, tany amin’ ny fokontany Antanetibe, kaominina ambanivohitra Ambano, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, omaly maraina. Nahatsikaritra azy io ho natory tsy nihetsika intsony ny olona sendra nandalo ka nampandre avy hatrany ny sefo fokontany any an-toerana. Ity farany no nampilaza ny mpitandro filaminana. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana avy hatrany ireto farany, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nahazo ny antso.
Hita ho tsy niakanjo ambony intsony ilay lehilahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manampahefana tany an-toerana. Tsy nahitana ratra, saingy somary fotsy hatsatry ny hatsiaka ny vatany. Tombanana ho hatsiaka diso tafahoatra na hypothermie ny nahafaty ity lehilahy ity, raha ny nambaran’ny mpitsabo izay tonga nanao ny fizahana ny razana. Ankoatra izay, tsy nahitana taratasy milaza ny mombamomba azy teny aminy, rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra, noho izany, ny anarany sy ny momba ny fianakaviany.
Hitan’ny olona nandehandeha
Mbola hitan’ny mponina any an-toerana nandalo tao amin’ity fokontany ity ilay lehilahy, iray andro talohan’io fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany io, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Nandehandeha teny an-tsaha sy teny amin’ireo tanimboly tany an-toerana izy. Nalany ny akanjo ambony izay nanaovany ary nipetraka naka aina teo amin’ny sisin’ny tanimboly iray izy, raha ny fanazavan’ny olona nahatsikaritra azy tamin’izany. Somary very saina sy niteniteny irery anefa ny fahitan’ny olona azy. Nihevitra ny olona fa mety ho manana olana ara-tsaina ity farany. Naterina sy nentina tany amin’ny tranom-paty any an-toerana ny razana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana.
Mino





