Fitaterana ana habakabaka : Hiverina rahampitso ny kaompania Air Madagascar

Hiverina hampiasa ny anarana “Air Madagascar” amin’ny fomba ofisialy, rahampitso, 31 oktobra ny orinasam-pitaterana ana habakabaka rehefa nampiasa ny anarana “Madagascar Airlines” nanomboka ny taona 2021.

Hisy ny lanonana hanamarihina izany izay hatao eny amin’ny Novotel Alarobia, ny sabotsy izao. Ankilany, mbola anatin’ny fanarenana ny kaompaniam-pitaterana ireo tomponandraikitra, miandry ihany koa ireo dingan’ny raharaham-pitsarana samihafa izay nahavoakasika ny kaompania teo aloha. « Air Madagascar no anarana hahafantaran’ny besinimaro sy ny mpiara-miombon’antoka amintsika », hoy ny mpitantana, tetsy Ana­lakely, iray volana lasa izay. Nohamafisiny fa tanjona ny hamerenana indray ny maha izy azy ny orinasa sy hanohanana ny fanarenana azy. Marihina fa niorina tamin’ny anarana hoe: Madair ny orinasa tamin’ny taona 1961. Lasa Air Madagascar kosa izany ny taona 1962. Ankehitriny, hiverina hampiasa ilay anarana nahafantarana azy nandritra ny enimpolo taona mahery io indray ny kaompania.

Paikadim-panarenana

Tafiditra ao anatin’ny fanarenana nataon’ny kaompania ny famerenana indray ny sidina mampitohy an’Antanana­rivo sy Moroni izay mandalo ao Mahajanga. Sidina atao indroa isan-kerinandro amin’ny alalan’ny fiaramanidina ATR 72-500. Mikendry ny hamerina tsikelikeky ireo sidina iraisam-pirenena mampitohy an’i Madagasikara amin’i La Réunion, Marseille, Bang­kok ary Guangzhou ihany koa ny kaompania. Ankoatra izay, nofoanan’ny fanjakana ny trosan’ny orinasa izay tombanana ho 50 tapitrisa dolara raha toa ka manodidina ny 100 ta­pitrisa dolara kosa ny trosan’ny orinasa, raha ny fanazavan’ny mpitantana. Marihina fa mikendry ny hitondra avo ny firenena amin’ny anaran’ny Air Madagascar ny kaompania. Tetikasa izay miankina amin’ny fanarenana ara-bola sy ny rafi-pitantanan’ny orinasa.

Henintsoa

Partager sur: