Seranan’Ivato : Volamena 275 grama tratran’ny Fadintseranana

Saron’ny Fadintseranana malagasy tany amin’ny mpandeha miisa roa ny volamena milanja 275 grama, ny alarobia 28 oktobra teo. Saika handray fiaramanidina hihazo an’i Dubaï izy ireo izao tratra izao. Tsy natao fanambarana ireo volamena ireo, natao endrika firavaka fehintanana, sady tsy misy mari-pamantarana ho azo aondrana (GUE). Tamin’ny 5 ora latsaka 10 mn no nahatrarana ireto volamena ireto teo amin’ny toerana fanaraha-maso alohan’ny efitra fiandrasana fiaingana. Nampandalovina « scanner » ny palitaon’ireo mpandeha roa, ka nahitana ireo firavaka maromaro, hita tao anatin’ny paosin’izy ireo.
Nentina tany amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany ireo firavaka mba ho hamarinina. Voamarina fa tena volamena tokoa, ka nogiazana avy hatrany. Manodidina ny 3 kilao ny volamena tsy ara-dalàna tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tato anatin’ny herinandro. Ilay sinoa vavy, nitondra volamena 2 kilao nalentika tanaty fitombenana ny iray voalohany, talohan’ity farany ity.

Njaka A.

Partager sur: