Fambolena orge : Miantraika amin’ny kaominina ny fihenan’ny vokatra

Anisan’ny mamboly orge ny kaominina Ambano, distrika Antsirabe II, faritra Vaki­nankaratra. Mampidi-bola ny kaominina ny 60% ny tamberim-bidy azo avy amin’ny vo­katra, raha an’ny Faritra ny 40%. Nanomboka tamin’ity taom-pambolena 2026 ity, nihena be ny velarantany volena orge, lasa 15 000 ha raha 20 000 ha tamin’ny taona 2025. Nihena ho 1 600 sisa ny tantsaha mamboly azy eto Madagasikara (Vakinanka­ratra, Amoron’i Mania, Matsia­tra Ambony), raha 2 200 ny taona 2025. Notsorin’ny ben’ny Tanàn’Ambano, Antsirabe II, Ramaroson David, fa « tsy olan’ny mpamboly orge irery intsony izy ity, fa tena mianjady amin’ny kaominina iray manontolo mihitsy. Efa foto-piveloman’ny mponina ato amin’ny kaominina Ambano ny fambolena azy, ary mitondra vokatra ho an’ny kaominina. Satria, mampitombo ny vola miditra ho fampandrosoana ety ifotony. Mitaraina aminay tomponandraikitra ny tan­tsaha, satria nihena ny velarantany sady teo koa ireo tsy afaka namboly intsony ».
Manoloana ireo, miangavy ny manampahefana ambony ny ben’ny Tanàn’Ambano, hijery akaiky ity tranga ity. «Man­ga­taka ny hampiroboroboana ny seha-pihariana orge izahay, satria tena hita fa mihena ny vola miditra amin’ny tantsaha sy ny fahefa-mividiny. Toraka iza­ny koa ny fidiram-bolan’ny kaominina, tokony hampandrosoana ety ifotony», hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: