Tafika Japone sy Malagasy : Manamafy fiaraha-miasa hisian’ny filaminana

Ankalazaina isaky ny 1 novambra ny andro natokana ho an’ny Force d’autodéfense japonaise (Tafika miaro tena avy any Japon). Manoloana izany, nikarakara fotoana nandraisana sy nihaonana tamin’ireo solontena maro avy amin’ny minisiteran’ny Fila­minam-bahoaka sy ny fiaro­vana izy ireo, omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Japon etsy Ivandry. «Manolo-tena tanteraka izahay hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny Tafika Mala­gasy, mba hanohanana sy hisian’ny filaminana, ny fitoniana, ary mazava ho azy, ny fandriampahalemana ato
amin’ny faritra, izay manana lanja stratejika lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pire­nena », hoy ny masoivohon’i Japon miasa sy monina eto Madagasikara, Tojima Hitoshi, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nambarany fa tena mi­rehareha tokoa izy ireo amin’ ny fiaraha-miasa miaraka
amin’ny Tafika Malagasy.
Ankoatra izany, « efa nisy tao anatin’ny taona ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Tafika japone sy ny Tafika Mala­gasy », hoy ny sekretera jeneralin’ny Tafika Malagasy, An­driamasinoro Fanjanirina. Samy Nosy i Japon sy Mada­gasikara ary tena zava-dehibe ny fiaraha-miasa tahaka izao. Mbola hitohy izany, raha ny nambarany. « Anisan’ny sehatra iaraha-miasa ny fiarovana an-dranomasina. Antenaina fa mbola hivoitra izany satria zavatra tena goavana be izy io”, hoy ihany izy.

Mino

Partager sur: