Mpitondra moto niaraka tamin’ny olona nentiny tra-doza tampoka teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, mihazo an’i Foulpointe, omaly. Nidona tamin’ny sisin-dalana ny moto ka olona iray namoy ny ainy. Naratra mafy ny namany.
Manamafy ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena voalohany RN1 Bis ny zandarimaria, ny 29 oktobra lasa teo. Nampiasa alika mpitsongo dia izy ireo hanatrarana ireo fitaovam-pitaterana mitondra zavatra hafahafa, toy ny rongony mahery vaika. Nanara-dalàna avokoa ireo voasakana.
Niditra an-tsehatra nanampina ireo lalana misy lavaka eny amin’ny faritra Andavamamba, ny kaomisera central lefitra eto anivon’Antananarivo, omaly. Tanjon’izy ireo ny hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-toerana.
Notanana vonjimaika eny am-ponja, omaly, ireo roa lahy nanendaka sady nangalatra bisikileta teny Malaza. Nifanena tamin’ny zandary ireo roa lahy niharan’ny fanendahana. Tratra niaraka tamin’ny bisikileta ny nahavanon-doza. Voasambotra teny Anosibe ny iray hafa.





