FANTINA sy FINTINA

Nanolotra fifanarahana ho an’ny Tetezamita, ny fampihavanana sy ny fanovana, ny Vondrona Ampefiloha, ahitana an-dry pasitera Tsarahame, Raharinaivo Andrianatoandro, Soava Andriamarotafika, ny Jly Razakarimanana. « Refesina amin’ny rano, jiro, fandriampahalemana, fahasalamana, fanabeazana, asa, sakafo ny fanovana », hoy izy ireo.

Enina ireo laharam-pahamehana sady paikadin’ny minisiteran’ny Fanavaozana natolotra ny Bianco hiadiana ny kolikoly, afakomaly. Eo ny fisorohana ny kolikoly, ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fampiroboroboana ny fampiasana ny fitaovana niome­rika ary ny fametrahana ny mpiasam-panjakana ho fitaratra amin’ny fahitsiana.

Naneho ny heviny manoloana ny rahara­ham-pirenena ny Humaniste et ecologiste, amin’ny alalan’ ny mpikambana, Randriamiadamampianina. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny tokony hifidianana ny lalàmpa­norenana. « Tsy fitsapankevi-bahoaka no hatao ary tokony hivondrona handrafitra izany ireo mitovy foto-kevitra », hoy izy.

Hapetraka amin’ny fomba ofisialy ny mpiara-mitantana ny VFM ao Fianarantsoa. Voatendry hisahana izany andraikitra izany ny depiote Rajoelina Seth sy ny loholona teo aloha sy efa minisitra, Andria­man­davy Rina. Hotanterahana anio, ao ambonin’ny Rex any an-toerana, izany lanonana izany.

Partager sur: