Tsy mbola milamina tanteraka ny toe-draharaham-pirenena? Indrindra izay havoakan’ny ampitso: tsy fantatra be ihany. Hanao ahoana? Misy ny efa reraka sy kivy ambony ihany ny amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, ohatra: tsy ampy fanazavana, ampitso ampitso lava… Mampanahy be ihany ny sasany ny filazan’ny eo anivon’ny fitondrana fa misy mitady hanakorontana izany. Olana sosialy no hoe vahana, fa tsy ny olana politika. Tsy ny olana amin’ny fitantanana ve, ohatra, no mahatonga ny olana sosialy? Na ny olana sosialy no mahatonga ny olana politika… Mifampiankina sy mifampitantana ny sosialy sy ny politika. Ny vahoaka no nametraka ny mpitondra eo amin’ny fitondrana. Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisiany. Ho an’ny vahoaka, ny lafiny sosialy marolafy no zava-dehibe sy mahamaika azy: fandriampahalemana, vidim-piainana, fananana asa… Mby aiza?
Mila mazava sy matotra ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra. Tsy izay mety amin’ny mpitondra no atao, indrindra tsy izay mahafaly ny vahoaka. Fifanarahana sosialy izany? Na politika… Raha amin’ny fifidianana, izay fandaharanasan’ny kandidà: antony fototra ifidianana azy ka ahazoany fitondrana. Raha hetsi-bahoaka no nahazoana fahefana: inona no nampidina ny vahoaka an-dalambe? Mitondra ho amin’ny vahaolana politika ny famahana ny olana sosialy. Na mahatonga olana politika ny fahasahiranana sosialy… Natao hamaha sy handamina izany ny mpitondra, raha tiana ny hisian’ny fahatokisan’ ny vahoaka. Tsy sosialy fotsiny fa politika indrindra koa. Hatraiza ny fampiasana ny fahefana politika ho an’ny sosialim-bahoaka? Izay koa no isian’ny fahamarinan-toerana politika milamina sy maharitra… Aiza ho aiza amin’ izao toe-draharaham-pirenena izao?
R. Nd.





