Hiakatra fitsarana ady heloka bevava, anio, ao amin’ny efitrano faha-4, ny raharaha namonoana an’Andrianirina Tsirava Amboara Raissa, zazavavikely 8 taona, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tetsy Antohomadinika IVO, ny 11 may 2025 lasa teo. Tsy hita popoka izy ny andron’ny 10 mey 2025, saingy hita tao anaty gony, nasitrika tsy lavitra ny tranony ny vata mangatsiakany, ny ampitson’io andro io. Anisan’ireo olona naiditra am-ponja tamin’ity raharaha ity ny renibeny sy ny anadahin-dRaissa ary zazalahy iray hafa.
Zazavavy 14 taona monina ao amin’ny Kaominina Vohidahy, no niharan’ny herisetra ara-nofo voalaza fa nataon’ny rainy niteraka azy, ny alakamisy lasa teo. Nisy nanolana tany anaty kirihitr’ala izy ny harivan’io andro io. Nokendaina sy nofatoran’ilay nahavanon-doza ka navelany teo rehefa noheveriny fa efa maty. Afaka nandady nankany amin’ny tanàna niantso vonjy izy ny zoma maraina. Taorian’ny fanadihadiana, efa voasambotra ilay lehilahy voarohirohy ho nahavanon-doza.
Tovolahy malagasy iray antsoina hoe Argent José Andriamandimby, 25 taona, namoy ny ainy, afakomaly alina, nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny 9 ora sy fahefany, tany Bain-Bœuf, Maurice. Nitondra moto izy, saingy nidona tamin’ny rindrina vita amin’ny vato ka maty tsy tra-drano. Nandeha nihazo nankany Cap-Malheureux izy tamin’io fotoana io. Tsy nahatsiaro tena ihany koa ny lehilahy malagasy iray niaraka taminy.





