Mpandraharaha 25 avy amin’ny orinasa vao misondrotra sy orinasa madinika ary salantsalany aty Afrika no hampahafantatra ny tetikasany amin’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena. Hotanterahina ny 2 sy 3 novambra 2026, any Cape Town, Afrika Atsimo, ny andiany fahefatra amin’ity BlueInvest Africa ity. Tanjona ny hampifandray ireo mpamorona vahaolana vaovao amin’ny loharanom-bola. Kendrena amin’izany ny hanamafisana ny toekarena manga sy ny fampandrosoana maharitra eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Hisolo tena an’i Madagasikara Rakotondrazafy Vatosoa. Natomboky ny Vondrona eoropeanina tamin’ny taona 2022 ny BlueInvest Africa. Sehatra iray mampifandray ireo mpandraharaha
amin’ny sehatra an-dranomasina sy ny mpampiasa vola iraisam-pirenena izy io. Avy amin’ny faritra samihafa eto Afrika ireo orinasa voafantina. Mifantoka amin’ny teknolojia an-dranomasina, ny jono sy fiompiana anaty rano maharitra, ny angovo azo havaozina avy amin’ny ranomasina ary ny toekarena mihodina izy ireo. Nifototra tamin’ny fahafaha-mahazo tombony, ny vinavina hampitomboana ny asa ary ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ny fifantenana. Mandritra ny fihaonana, hanolotra ny tetikasany amin’ireo mpampiasa vola ireo mpandraharaha. Hisy ihany koa ny fihaonana ara-barotra, ny fampiofanana ary ny fanoroana manokana. Kendrena ny hahazoana famatsiam-bola mivaingana sy fananganana fiaraha-miasa maharitra. Amin’izany, antenaina hampivoatra ny vahaolana vaovao sy ny asa mifototra amin’ny harena an-dranomasina aty Afrika ny hetsika.
Henintsoa





