Ramatoa miisa roa nosamborin’ny mpitandro filaminana miasa ao Mahajanga, taorian’ny fikasana hivaro-jazavavy, ny alatsinainy 2 oktobra lasa teo. Naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny polisy miasa ao Amborovy. Ramatoa miisa roa mitady mpividy zazavavy 12 taona avy any Marovoay. Niroso tamin’ny vela-pandrika avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nanao ny paikady hanatrarana ny tompon’antoka amin’io tranga io. Raikitra ny serasera tamin’ny alalan’ny finday ary nisy ny ady varotra natao tamin’ireo olona nivarotra. « Raikitra ny fifamarotana taorian’io ka nifanome fotoana teny amin’ny toerana iray anatin’ny fokontany Amborovy ny mpamarotra sy ny mpivady », hoy ny Kaomisera principal miasa ao Mahajanga, Raharinasy Jimmy Clarin. Nilaza hanome vola mialoha ho antoka ny mpividy ka roboka ireo mpivarotra. Sarona ireo olona roa tompon’antoka tamin’ny famarotana. Tsy nahalala na inona na inona momba ny famarotana azy ilay zazavavy lasibatra.
Lelavola 600 tapitrisa Ariary no ady varotra farany naharesy lahatra an’ireo mpamarotra ity zazavavy ity. Voasambotra tamin’ny toerana nanaovana ny vela-pandrika ny ramatoa roa tompon’antoka. Nokasain’izy ireo hamidy any ivelany ity zaza lasibatra ity, saingy nahita mpividy tao Mahajanga tampoka izy ireo. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana avy hatrany ny polisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny fihetsika mamoafady. Aorian’ny famotorana ireo vehivavy miisa roa ireo, hatolotra tsy ho ela eny anivon’ny fampanoavana izy ireo.
Tsiferana R.





