Raha tsy mahay dia hidofotra, raha mahay tafita. Izay no lalana tsy maintsy izoran’ny fitondrana Fanavaozana amin’izao. Raha mieritreritra fifidianana ny mpitondra, politika iray mety hanimba azy io. Antony, feno fitaka ny manodidina ilay olona manampahefana. Misy dia poizina mampisara-bazana no tena tiany hahatongavana ao anatiny ao. Mampiady sy manakorontana ” daomy ” ny sasany. Manimba saina sy manakorontana no tanjona.
Izay anefa no mila tena havaozina. Ilay toe-tsaina tia mitankosina amin’ny fahalovana izay. Misy ny mifikitra amin’ilay fanao maloto sy mahazatra ka manimba ny rafitra manodidina. Zara aza misy hirika hamerenana ilay fanao taloha ka manao mpamosavy malemy sy mikiribiby amin’izatsy na izaroa. Amboadia mitafy hodi-janak’ondry. Manodoka toa mamiratra, saingy maizim-panahy mamelatra vela-pandrika.
Mila mijoro sy sahy manova sy manilika ilay malailay fonosana ny mpitondra. Mila manamafy sy tokony ho hita fa miray hina sy tsy hay vakiana izy dimy lahy. Ireo ihany manko no erany. Rehefa samy tsy mivaona tamin’ny toky nifanomezana dia efa zava-dehibe izay. Raha mbola hita taratra ilay hafanam-po tany am-boalohany dia mahavelombolo. Zava-dehibe ny toky havoakan’izay sary izay amin’ny mpitolona sy ny mpanohana fitondrana.
Raha fehezina, vanim-potoana izao hanovana olona sy mpiara-miasa. Tsy izay manao tompoko tompoko no namana. Fa na ny tsy ao anatin’ny fitondrana aza ka vonona hitondra ny anjara birikiny. Betsaka no tia tanindrazana sy resy lahatra ka mila tsy mifanilikilika.
r.r





