Nahatrarana rongony 12 kg : ramatoa iray nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika ny ramatoa iray nahatraran’ny mpitandro filami­nana rongony milanga 12 kg tao amin’ny fokontany Maha­tsara, anatin’ny kaominina renivohitra Antsiranana, afakomaly. Naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny polisy fa misy renim-pianakaviana iray manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Natao ny fanadihadiana. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’ ilay ramatoa voatondro tokoa izy ireo. Sarona tamin’izany ny rongony efa vita fatotra natao anaty gony. Nilanja 12 kg ireo entana ireo. Nokasainy hamidy an-tsinjarany amin’ ireo mpidoroka ireto entana ireto. Nosamborina avy hatrany izy ary nogiazana ireo rongony. Nataon’ny polisy fanadihadiana, natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsiranana izy ka izao nia­fara amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika izao.

Tsiferana R.

Partager sur: