Internet sy niomerika: Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lalàna

Nanome ny heviny mahakasika ny volavolan-dalàna mifehy ny internet sy ny niomerika Andrianantoanina Jonah, mpahay toekarena. Aminy, tsy azo ihodivirana ny hanovana ny lalàna satria efa tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana intsony.

Sady mpanorina ny Fari­bolana mandinika ny toekarena eto Mada­gasikara (Crem) Andrianan­toanina Jonah. Entin’ny governemanta ho dinihina eny amin ny Antenimierampirenena, ankehitriny, ny lalàna 040-2026, mifehy ny internet sy ny niomerika. Nambarany fa zava-dehibe ho an’ny mpan­jifa sy ny toekarena ity volavolan-dalàna ity. Anisan’ny voalaza ao ny fifandraisana elektronika sy ny fotodrafitrasa niomerika. Ao anatin’ny revolisiona indostrialy fahefatra io lalàna io, miaraka amin’ny firoboroboan’ny Faharanitan-
tsaina artifisialy (IA). Tsy manan-jo hamela ity fotoana ity i Madaga­sikara, ka tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lalàna. Efa lany andro tanteraka ny teo aloha, izay nivoaka tamin’ny taona 2005. Vitsy ny nampiasa internet tamin’ izany, tsy mbola nampiasa finday smartphone ihany koa. Ankehitriny, efa mihoatra ny 20% ny mampiasa internet, nivoaka ny taona 2007 ny Iphone voalohany, tsy mbola nandoavam-bola ny finday. Mihoatra ny 24 tapitrisa, amin’ izao fotoana izao, ireo mampiasa kaonty vola amin’ ny
finday.

Fitsipika mitovy

Raha io lalàna taloha io, tsy maintsy miasa any amin’ny firenena folo, farafahakeliny, ary manana tsipika 100 tapitrisa ny mpandraharaha. Fepe­tra izay tsy azo tanterahina mihitsy, ary lasa sakana. Mam­piasa vola vahiny telo no voakasik’io fepetra io. « Izay no ilàna ity volavolan-dalàna vaovao ity, mametraka fitsipika mitovy ho an’ny mpisehatra rehetra », hoy ihany izy.
Mametraka sokajy fahazoan-dalana dimy omena amin’ ny alalan’ny fifaninanana ity volavolan-dalàna ity, izay arindran’ny Artec. Eo koa ny fifam­pizarana ny fotodrafitrasa ary misy ny Tahirimbola momba ny tolotra ho an’ny rehetra (FDC).
Tombanana hitondra ha­inkarena faobe fanampiny, manodidina ny 4 000 miliara Ar ny sehatry ny internet sy ny niomerika amin’ny taona 2031. Hiteraka asa hatrany amin’ny 330 000.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: