Nampahafantarina ny 30 oktobra teo ny tolotra « Henika », natokan’ny banky BMOI ho an’ny tanora 21 hatramin’ny 30 taona, hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina. Tohana ho an’ny tanora, hanatanterahany ny tetikasany, tsotra, akaiky ary haingana. Nambaran’ny tale lefitry ny BMOI, Ratovohery Nirintsoa, fa « tanjonay ny hanangana fifandraisana matotra amin’ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa. Ankoatra ny maha tolotra banky azy, tohanana izy ireo mba hanana tetikasa tsara kalitao, vahaolana mifanandrify amin’ny zava-misy andavanandro, ary hanana tetikasa azo antoka ».
Mampiasa ny teknolojia niomerika ireo masoivohon’ny BMOI rehetra hanatanterahana ity tolotra « Henika » ity. Nilaza ny talen’ny Antsipiriany, Rasolofo Tokinirina, fa mila banky manamaivana ny fiainany ny tanora, ankehitriny. Mila torohevitra sy torolalana hanatanterahany ny tetikasany, ka ny teknolojia niomerika no afaka mamaly izany. Andoavana 20 000 Ar TTC isam-bolana ny tolotra « Henika ». Misy ny karatra banky iraisam-pirenena Adagio, afaka mampiasa ny tolotra niomerika BMOINet sy BMOIPocket. Ahazoana tolotra fialamboly samihafa koa, toy ny Cinepax, ny StrikeClub, ny DrinX Lounge Billard & Bar ary ny E-VTC.
Njaka A.





