Smart Clean Cooking: 35 tapitrisa dolara ho an’ny angovo madio

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny teti­kasa « Smart Clean Cooking (SCC) ». Haharitra dimy taona ny tetikasa. Tanjona ny hampiroborobo ny fandrahoan-tsakafo amin’ny angovo madio sy hiarovana ny tontolo iainana. Mitentina 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ ny OPEC Fund. Maherin’ny 70% amin’izany no hatokana mivantana ho an’ireo mpisi­traka. Miara-miasa amin’ny PIC sy ny minisitera voakasika ny mpamatsy vola.
Mbola mampiasa kitay sy saribao ny 90% ny tokantrano malagasy. Fomba fanao izay mandripaka ny ala sy man­doto ny tontolo iainana izany. Misy fiantraikany amin’ny fa­ha­salaman’ny mponina koa ny setroka aterany.
Araka ny fanazavan’i Fi­dia­rison Kenny Marco Louis, tomponandraikitra misahana ny angovo avy amin’ny akora biolojika sy ny fandrahoan-tsakafo madio, mbola sakana ny tsy fahafantaran’ny olona ny vidin’ny saribao biolojika. Efa misy anefa ny vahaolana hanamorana ny fahazoan’ny rehetra izany. « Hampihena ny fotoana lany amin’ny fandrahoan-tsakafo sy ny fandaniana isan-tokantrano ny tetikasa», hoy ny minisitry ny Ango­vo sy ny akoran’afo, Rabe­ari­manga Radonirina Lucas. Ho an’ny mpandrindra nasio­na­lin’­ny tetikasa PIC, Rako­ton­drazaka Ladislas Adrien, ny sehatra tsy miankina no hampirisihina hanamora ny fampiasana angovo madio.
Tanjona ny hanatratra 50% ny fampiasana fomba fandrahoan-tsakafo madio amin’ny taona 2030. Mbola 14% monja izany amin’izao fotoana izao, na dia efa misy aza ny fatana mitsitsy.

Henintsoa

Partager sur: