VAOVAO TAMBATRA

Manolotra 300 tapitrisa Yen (manodidina ny 8,6 miliara ariary) ny firenena japoney hanavaozana ny fitaovana siantifika ao amin’ny sampam-pianarana momba ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Oniversiten’Itasy. Nosoniavina omaly ny fifanarahana fanomezana io famatsiam-bola tsy mila averina io. Hampitombo ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fikarohana izany, indrindra amin’ny jeolojia sy ny minera­lojia.

Nampiroborobo ny fizahantany maharitra tao Kivalo ny Festival Jotso Botry andiany fahatelo, natao ny 22–25 oktobra 2026, tao Belo-sur-Mer. Nampa­hafantarin’ny WWF ny fizahantany ara-tontolo iainana sy ny fiarovana ny ala honko. Tafiditra ao anatin’ny Teti­kasa Honko Mamelon-jafy, tantanan’ny Madagas­car National Parks sy tohanan’ny KfW ny hetsika.

Nanao sonia fifanarahana roa taona momba ny fitantanana ny harena anaty rano ny fikambanan’ny mpanjono Miaradia, ao Ambodibonara, distrikan’ Ambilobe. Niara-nanao sonia taminy ny kaominina sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tanjona ny hiaro ny trondro sy ny drakaka ary hiantoka ny faharetan’ny harena anaty rano. Ho fanohanana izany, nanolotra salotra fiarovana 13 sy motera 15 CV ny tetikasa SWIO Fisheries 2 izy ireo.

Partager sur: