Nanaovan’ny polisy vela-pandrika, noraisim-potsiny niaraka tamin’ny vilany nangalariny ny mpamaky trano telo lahy tao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mitaraina matetika ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Tsy mifidy alaina ireo jiolahy fa entiny hatramin’ny vilany fandrahoana sakafo. Nanao paikady hanatrarana ireo tsy mataho-tody noho izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana. Nahitam-bokany avy hatrany izany. Tra-tehaka ny telo lahy niaraka tamin’ny vilany, fahitalavitra iray niampy arina fandrehitra teny amin’izy ireto. Ankoatr’azy ireo, efatra mirahalahy tsy ampy taona niaraka tamin’ny lahiantitra iray koa voasambotry ny polisy. Nangalatra akoho avokoa izy ireto. Nentina nihazo ny biraon’ ny polisy atao fanadihadiana ireto voasambotra ireto. Atolotra ny fanampanoavana aorian’izay. “Miantso ny vahoakan’i Mandritsara mba hanome loharanom-baovao ara-potoana mba hamongorana ireo tambazotrana mpanao asa ratsy ny Polisim-pirenena”, hoy ny lehiben’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.