Manomboka ny 10 hatramin’ny 14 novambra 2026 ho avy izao ny ivon’ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny gazety malagasy. Hankalazaina amin’ny fety sy hetsika maro sosona io fotoana io. Hisy ny fampirantiana eo anoloan’ny foiben’ny ORTM (Ofisy malagasy momba ny Radio
sy Televiziona) etsy Anosy. Haneho ireo dingana lehibe teo amin’ny tantaran’ny asa fanavaon-gazety. Ny fifampizarana traikefa ataon’ireo mpanao gazety, ny 11 sy ny 12 novambra 2026. Fotoana ahafahan’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery mifanakalo hevitra, indrindra momba ny rafitra ara-dalàna mifehy ny asany. Ny fampiofanana hifantoka amin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety. Ny 13 novambra, fivoriana andraisan’ ireo solontenan’ny mpanao gazety avy amin’ny faritra 24. Handinihina ny hoavin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ny fepetra iainan’ ireo matihanina ary ireo lafiny azo hatsaraina. Hapetraka eo anatrehan’ny manampahefana tandrify azy ireo tolokevitra nivoaka mba hahazoana antoka fa heno ny feon’izy ireo sy ny ahiahiny. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ izao fankalazana izao ny Orange Madagascar, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanoloran-tenany amin’ny fanekena, fampiroboroboana, ary fampandrosoana ny asa fanaovan-gazety. Tsy lova tokony hankalazaina fotsiny ny 160 taona fa fototra iorenan’ ny hoavy ihany koa. ” Famerenan-kasina ny asa fanaovan-gazety sy fameloma-maso ny hasim-piandrianam-pirenena” no lohahevitra mandritra ny fankalazana.
Mino





