TARATRY ny KANTO

Hetsika manaraka karakarain’ny Faribolana Sandratra ny “Tany ho Any”. Sombintantara hatao ny 21 novambra izao, ao amin’ny CGM Analakely. Mpi­angaly tantara matihanina no hamelona izany, ahitana an-dRandrianatoandro Sylvia, Niravo, Hanjariliva ary Mam­pandriniaina Manitra. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fiakarana an-tsehatra.

Hafana tanteraka ny Mada Fiesta, ny zoma
6 novambra izao, eny amin’ny Tribune Barea Maha­masina. Artista malagasy 10 no hanafana ny sehatra, ankoatra ireo artista vahiny 4, dia i Karaba, i Taija, i Bamby ary i Neiman. Hanomboka amin’ny 4 ora hariva ny fampisehoana ary haharitra mandra-maraina, raha ny fandaharam-potoana.

Fampisehoana goavana hitranga ny zoma
6 novambra izao, ihany koa, ny fampisehoana hiarahana amin’i Samoela. Eny amin’ny VIP Zone Barea Mahamasina no hifamotoana amin’ny mpankafy azy ity tarika ity. “After hiaka-dapa” no anaran’ny hetsika ary hanomboka amin’ny 8 ora alina ny fampisehoana.

Partager sur: