Ny Makis Ladies, hatreto, no nahazo ny medaly Olympika voalohany ho an’ny Malagasy. Tsy resy mihitsy izy ireo tao amin’ny vondrona B nisy azy ireo. Tany amin’ny manasa-dalana vao nahintsan’i Kenya. Nandavo an’i Tchéquie, 26 no ho 10 indray ka nahazo medaly alimo
Nanoratra tantara vaovao ho an’ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny Makis Ladies. Nandrombaka medaly alimo amin’ ny taranja rugby lalaovin’olona fito, tamin’ity lalao Olympika ho an’ny tanora, izay tontosaina atsy Dakar, Senegal ity ry zareo, omaly, rehefa nandresy an’i Tchéquie, tamin’ny isa 26 no ho 10, lalao fiadiana toerana laharana fahatelo. Raha ny fanazavana azo sy ny fikarohana natao, ry zareo vehivavy malagasy mpilalao rugby no nahazo medaly Olympika voalohany ho an’i Madagasikara. Raha hiverenana kely ny dian’ny Makis Ladies tamin’ity fifanintsanana ity, tsy nahazo faharesena mihitsy ry zareo tao anatin’ny lalaom-bondrona. Nivoaka ho laharana voalohany tao amin’ny sokajy “B”. Teo amin’ny andro voalohany, resin’izy ireo, 12 no ho 10 i Etazonia, avy eo, Nandavo, 19 no ho 12, an’i Espagne. Farany, noresen’ny Malagasy, 19 no ho 5, i Tchéquie. Tamin’ny manasa-dalana, nahintsan’i Kenya, 15 no ho 5 ny Malagasy. Ary taorian’io, nanarina ny lesoka teo anatrehan’i Tchéquie indray ny Makis Ladies, ka izao nitondra medaly alimo izao. Tena mbola nampiseho ny hakingana sy ny fahaizana manipy baolina haingana ary ny tanjaka ny Makis Ladies, ka somary sahirana avokoa ireo mpifanandrina taminy.
Nody ventiny
Azo lazaina, araka izany, fa nody ventiny ny rano nantsakaina, tany Tunisie. Tsiahivina fa mialoha ity lalao Olympika ity, niatrika fiofanana tany Tunisie, nandritra ny herinandro, ny vehivavy malagasy mpilalao. Nanohana sy nanatrika ny lalaon’izy ireo ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré.
Fitia Randria





