Hiatrika ny fiadiana ny “Grand prix de Zagreb”, hatao any Croatie indray, i Laura Rasoanaivo. Fihaonana hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 15 novambra ho avy izao. Hiady ao amin’ny sokajin-danja – 70 kg ny tovovavy amin’ity. Tafiditra ao anatin’ireo “judoka” tsara filaharana indrindra amin’ity fihaonana ity ny tenany.
Hotanterahina eny amin’ny Kianja Ambohitsaina Ankatso, ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 novambra ho avy izao, ny fifaninanana tsipy kanetibe. Fihaonana karakarain’ny ligin’Analamanga. Hitsofan-drano ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “Mondial 2026” tanterahina any Thaïlande, ny 20 – 24 novambra ho avy izao izany.
Mizotra etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny Fiba National Youth Camp 2026, taranja basikety. Fihaonana karakarain’ny Fiba Afrique sy ny Federasiona malagasy (FMBB) izy ity. Mitarika izany i Naoufal Uariachi, manampahaizana avy amin’ny Fiba. Haharitra hatramin’ny 7 novambra izao ny fiofanana.





