Olona 11 naiditra am-ponja : Basy sy bala marobe saron’ny zandary

Naiditra am-ponja vonjimaika any Maevatanàna ireo olona miisa 11, voarohirohy tamin’ny raharaha fivarotana basy sy bala marobe tsy ara-dalàna. Ankoatra izany, lavon’ny polisy tetsy Anosibe, ny alin’ny talata teo, ny jiolahy iray, izay nahitana basy vita tanana.

Ravan’ny zandarimariam-pirenena miasa ao Andriba, Maevatanàna, ny tambajotra mpivarotra fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna tany an-toerana. Olona 11 mianadahy no voasambotra tamin’izany ary efa naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Basy miisa dimy sarona tamin’ireo olona voarohirohy ireo, izay nahitana basy poleta telo sy basy lava roa. Ankoatra izany, bala 165 isa ihany koa sarona, nahitana “calibre” 12 sy “calibre” 16 miisa 153 ary bala 12 misy savaivo 7,65mm. Loha­ra­nom-baovao avy amin’ny olon-tsotra no nahafahana nahatratra ireo olona sy fitaovam-piadiana ireo. Tratra ny 27 oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo, ny olona iray voalaza fa nikasa hividy fitaovam-piadiana. Efa nanandrana nampiasa ilay basy mihitsy aza izy tamin’izany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary any an-toerana. Nosamborina ity farany ary nohadihadiana tao amin’ny biraon’ny zandary. Taorian’izany, nanatanteraka fisavana ny trano fonenan’ny ramatoa iray hafa ny zandary, rehefa nahazo alalana avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna. Hita tao an-tranon’ity farany ny basy sy ireo fitaovam-piadiana rehetra ireo. Fantatra fa tsy nisy taratasy ara-dalàna avokoa ireo rehetra ireo. Nosamborina ihany koa ity ramatoa ity ary notanana tao amin’ny biraon’ny zandary. Nitohy ny fanadihadiana ka olona sivy hafa voasambotra. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy rehetra izao.

Jiolahy iray lavo

Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisy tetsy Anosibe, ny alin’ny talata 3 novambra 2026 teo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy fa misy andian’olona mivezivezy sy mampiahiahy eny amin’ny manodidina an’Anosibe eny. Fantatra fa manendaka ireo mpivarotra sy mpiantsena maraina ireto farany. Nidina ifotony izy ireo taorian’ny antso. Nitifitra ny iray tamin’ireo jiolahy vao nahita ny Polisy, nanararaotra nandositra ireo namany. Namaly tifitra ny polisy ka raikitra ny fifanjevoana. Voatifitra tamin’izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka lavo noho ny ratra mafy nahazo azy. Tavela niaraka taminy teo ny basy vita tanana iray nampiasainy. Nahitana bala calibre 12 miisa telo ihany koa teny an-toerana nitrangan’ny fifanjevoana.

Mino

Partager sur: