Fikasana hamaky an’i : Tsiafahy Hampodiana eto i Sokataly Shemir

Noho ny fampiharana ny didy fampisamborana iraisam-pirenena navoakan’ny fitsarana malagasy an’i Sokataly Shemir, nanao ny dingana ofisialy momba ny fiaraha-miasa ara-pitsarana ny minisiteran’ny Fitsarana malagasy. Hahazoana mamerina azy eto Madagasikara izany, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly. Taorian’ny nisamboran’ny manampahefana maorisianina azy tatsy amin’ny Nosy Maorisy, ny 23 oktobra lasa teo. Mba hahazoan’ny fitsarana malagasy hanohy ny fanenjehana ara-pitsarana azy ny fampodiana azy eto Madagasikara. Momba ireo tranga ahina ho mifandray amin’ny fikasana handoro sy hamaky ny fonjaben’i Tsiafahy ny fanenjehana. Eo koa ny fikasana hanamora ny fandosiran’ny voafonja iray. Efa misy iraka atsy Nosy Maorisy, ahitana Malagasy mpitsara sy polisy mpanao famotorana ara-pitsarana ary solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana malagasy. Hanohana ny fangatahana famerenana azy sy hanolotra ireo antontan-kevitra ilaina amin’ny fandinihana ny raharaha izy ireo. Na izany aza, miankina amin’ny fitsarana maorisianina ny fanapahan-kevitra. Eo koa ny fanajana ny zo sy ny antoka ara-dalàna ananan’ilay voakasika.

R. Nd.

Partager sur: