Novambra manga: Azo tsaboina ny homamiadan’ny prostaty raha voatily mialoha

Aretina nahazo vahana tato anatin’ny taona vitsivitsy ny homamiadan’ny prostaty. Tokony hazoto hanao fitiliana hahafahana mahita mialoha ny aretina hanamorana ny fitsaboana ny lehilahy.

Novambra manga! An­jaran’ny lehilahy indray ny fisitrahana torohevitra ara-pahasalamana sy fitsaboana ho an’ity volana novambra ity. Natokana hiadiana amin’ny homamiadan’ny prostaty izay efa mihabetsaka ny voany amin’izao fotoana.
Hiompana betsaka amin’ny fanentanana ny lehilahy momba ny maha zava-dehibe ny fitiliana mialoha, ny fisorohana ary ny fitsaboana azy ny hetsika. Raha fantatra dieny mialoha ny homamiadan’ny prostaty, azo atao tsara ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso azy. Manana anjara toerana lehibe amin’ny famantarana mialoha ny aretina sy ny fahazoana fitsaboana mifanaraka amin’izany ny fitiliana.
Tsy dia misy fambara loatra ny aretina fa tokony ho mailo rehefa misy tranga hafahafa tsy mahazatra amin’ny taovam-pananahana. Anisan’ izany ny fahasarotana rehefa mivalandrano, fahaporetana matetika, ny fahatsapana fa tsy ritra tanteraka ny fivalanan-drano. Mety hitranga koa ny fangirifiriana na fanaintainana rehefa mivalandrano, mety misy ra ny fivalanandrano na ny tsirinaina, tsy fahavitana firaisana ara-nofo…
Arakaraka ny fitiliana mialoha no mahamora ny fitsaboana. Fandidiana, chimiothérapie sy ny hormonothérapie no ahafahana mitsabo ny homamiadan’ny prostaty.
Entanina ny lehilahy mba hanatona mpitsabo, hahafantarana ny fomba fanaovana fitiliana ary handraisana andraikitra ara-potoana. Tsy tokony hiandry ho voa vao manatona mpitsabo. Ny fitiliana mialoha dia mety hamonjy aina. Tsy tokony ho sakana amin’ny fikarakarana ny fahasalamana ny tahotra sy ny henatra. Laharam-pahamehana ny fahasalamana.
Raha ny salanisa maneran-tany dia ny homamiadan’ny prostaty no homamiadana faharoa mpahazo ny lehilahy.

Tatiana A

Partager sur: