Nivory niaraka ny minisitera isan-tsokajiny, izay notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Managna Monira, tamin’ity herinandro ity, teny Ambohidahy. Nifantoka tamin’ny fandinihana sy ny fametrahana fanapahan-kevitra mahakasika ireo fepetra ara-pahasalamana tokony horaisina manoloana ny fiparitahan’ny aretina Ebola any amin’ny firenena hafa toy an’i Kenya sy Nigeria ary RDC ny fihaonana.
Nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa ilaina ny fiaraha-miasa matotra sy hentitra eo amin’ny sehatra rehetra ahafahana misoroka amim-pahombiazana ny mety ho loza ara-pahasalamana. Nasongadiny manokana koa ny maha zava-dehibe ny fametrahana rafitra fanaraha-maso mazava sy voafaritra tsara ahazoana manara-maso akaiky ny fampiharana ireo fepetra napetraka sy miantoka ny fanatanterahana izany amin’ny sehatra rehetra. Indrindra fa samy manana andraikitra amin’izany avokoa ny tsirairay sy ny sampandraharaha rehetra voakasika.
Hentitra, hoy izy, ny fitondram-panjakana manoloana ireo izay minia tsy manaraka ny lamina sy ny fepetra apetraka natao hiarovana ny ain’ny vahoaka sy hisorohana ny fidiran’izany aretina izany eto Madagasikara. Nankatoavina am-bava nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny talata lasa teo, koa ny fanamafisana ny fepetra ara-pahasalamana eny amin’ny sisintany ho fisorohana ny fidiran’io areti-mandoza io eto Madagasikara. Tsy maintsy hajaina sy hampiharina araka ny tokony ho izy ireo toromarika.
Vonjy





