Barea sy Guinée Bissau: Hitantara ny lalao i Faneva Ima

Hiditra amin’ny andro fahatelo, afaka herinandro, ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2027), taranja baolina kitra. Ho an’ny vondrona “L” misy ny Barea, hampiantrano an’i Guinée Bissau ny Malagasy, ny alakamisy 12 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Meknès, Maroc. Fantatra àry fa hitantara ny fizotran’ny lalao ao amin’ ny Canal Plus Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha amin’ny maha mpanolotsaina teknika sy mpamakafaka baolina kitra azy. Tsy vao izao akory i Faneva Ima no hanao izany fa efa mampiaina mivantana ireo lalao nataon’ny Barea, toy ny fihaonana nikatrohana tamin’ny RD Congo, ny taona 2021 ka nandresen’ny Kongoley tamin’ny isa 2 no ho 0 sy ny andro faharoa ho an’ity fifanintsanana ity, nihaonana tamin’i Tanzanie ka nisarahana tamin’ny isa 1 no ho 1.
Hitohy avy hatrany amin’ny andro fahefatra ny fifanin­tsanana ny talata 17 novambra ho avy izao. Handray ny Barea ao amin’ny Kianja Estadio Nacional 24 de Se­tembro, i Guinée Bissau. Tsiahivina fa taorian’ny andro faharoa, mitarika ao amin’ity vondrona “L” ity ry zareo Gineanina, manana isa 6. Arahin’i Nigeria, isa 3 ary i Tanzanie sy ny Barea, samy manana isa 1 avy.

Tompondaka

Partager sur: