Nanolana an-janany vavy : Raim-pianakaviana naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ny raim-pianakaviana iray voatondro ho nanolana an-janany vavy vao 14 taona, tao amin’ny kaominina Vohidahy, distrikan’Ambositra, afakomaly.
Niharan’ny herisetra ity zazavavy ity, ny tolakandron’ny alakamisy 29 oktobra lasa teo. Nanaovan’ny tsy mataho-tody ny filan-dratsiny izy. Nofatorana tao anaty kirihitra ary efa noheverin’ilay nahavanon-doza fa maty. Niezaka nanavo-tena ity zazavavy. Nozeran’ny orana izy nandritra ny alina. Afaka tao amin’ny kirihitra izay nanolanana azy ary nandady namonjy tanàna.  Niantso vonjy tamin’ny fokonolona ny lasibatra. Nanampy an’ity zaza ity ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Nalefa notsaboina tao amin’ny CHRR Ralalaonirina izy, ny sabotsy lasa teo. Taxi-moto no niton­drana azy noho ny hasarotan’ny lalana miala ny tanàna. Nitsidika azy ny tomponandraikitra izay sady nandray an-tanana ny fitsaboana. Nosamborina ilay ray niteraka voalaza ho nahavanon-doza. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka voatazona am-ponja izy. Nanamafy ny mpampanoa lalàna miasa ao an-toerana fa tsy ekena velively ary tsy handefe­rana ny resaka fanolanana zaza tsy ampy taona tahak’izao nahazo ity zazavavy 14 taona ity.

Tsiferana R.

Partager sur: