Zaza varira nisy namono: Tovovavy 15 taona notapahin-doha

Nalan’ireo mpamono olo­na ny lohan’ny ankizivavy manana toe­-tena varira tao amin’ny fokontany Menaka­ravavy, kaominina Ejeda, distrika Ampanihy Andrefana, afakomaly. Hitan’ny fokonolona ni­tsirara tamin’ny tany ilay zazavavy 15 taona, fantatra amin’ ny anarana hoe Mitovy, tamin’ ny 7 ora sy sasany alina. Tsy fantatra ny nahavanon-doza. Tsy hita ny lohany. Mano­loana ity tranga vonoan’­ olona mianjady amin’ny olona ma­nana toe-tena varira ity, manao antso avo amin’ny manam-pahefana hijery ifotony ny zava-misy ary hanamafy ny fiarovana azy ireo ny filo­han’ ny fikambanana olona manana toe-tena Varira eto Mada­ga­sikara. Tafakatra ha­tra­min’ny 17 ireo olona namoy ny ainy tao anatin’ireo tranga 20 niseho nandritra ity taona 2026 ity. Miroso amin’ny fa­nangonam-baovao hamantarana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Andra­sana ny tohin’ny raharaha. Matetika hanaovan’ireo olon-dratsy sorona ireo olona lasibatra.
Marihina fa anatin’ny fandaharan’asa hamehana ataon’ ny fitondrana foibe ny mahakasika ny fiarovana ireo zaza varira. Ohatra velona amin’­ izany ny nandraisan’ny filo­han’­ ny Fanavaozana an-tanana zaza iray, avotra teny an-ta­nan’ny mpaka ankeriny. Ma­namafy rahateo ny tomponandraiki-panjakana fa toy ny olon-drehetra ny zaza varira fa tsy mpitondra fahagagana izany.

Tsiferana R.

Partager sur: