Rano fisotro, herinaratra, fambolena… Hafainganina ny tetikasa iarahana amin’ny Bad

Nandray ny solontena maharitry ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), i Adam Amoumoun, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, omaly. Voaresaka tamin’izany ny momba ny famatsiam-bola amin’ireo tetikasa iarahana miasa.

Fanatsorana ny fomba fiasa sy ny fanalana ireo sakana. Izay no fanafainganana ny fanatantera­hana ireo tetikasa fampandrosoana. Fantatra izany tamin’ ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny solontena maharitry ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Mba hahazoana vokatra mi­vaingana sy haingana ho an’ ny vahoaka izay fanafainganana ny tetikasa izay. Noha­mafisin’ny Praiminisitra ireo laharam-pahamehan’ny gover­nemanta ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGER). Eo ny famaliana ny hamehana sy ny fametrahana ny fototry ny Fanavaozana ary ny fanomanana ny fifidianana. Nasongadiny manokana ny fampiraisana ny Malagasy sy ny ady amin’ny kolikoly. Tsy latsak’izany ny fanomezan-danja ny fahazoana vokatra haingana sy ny fahombiazana ary ny fanavaozana eo amin’ ny asam-panjakana.

Fambolena sy angovo ary fotodrafitrasa

Tetsy andaniny, nasongadina sy nohamafisin’ny solontenan’ny Bad fa mitohy ny fiaraha-miasa amin’i Madaga­sikara. Ahitana tetikasa 21 mitetina hatrany amin’ny 809 tapitrisa dolara amerikanina izany. Mifantoka indrindra amin’ny fambolena, ny an­govo ary ny fotodrafitrasa ara-dalana ireo tetikasa ireo. Ho fanohanana ny famokarana sy ny famoronana asa ary ny fampandrosoana ara-toeka­rena no antony sy ifotorany. Anisan’ny voadinika mano­kana koa ny fanafainganana ny tetikasa PRRE sy PRIRTEM, izay mifandraika amin’ ny fampandehanana ny toby famokarana herinaratra ao Volobe. Vinavinaina hanomboka hiasa amin’ny taona 2030 izany. Eo koa ny fanatsarana ny famatsian-drano an’ Antananarivo, indrindra ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ny farihin’i Mandroseza.

R. Nd.

Partager sur: