Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny jono. Asa mahavelona sy mampidi-bola izy io rehefa ara-dalàna ny fitrandrahana sy ny antontan-taratasy.
Tosika enti-mampivoatra ny seha-pihariana sy ny fidiram-bolan’ireo mpiompy eny amin’ny fokontany Andranomahery Morarano ny fidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Antony nahatonga ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Ravelomanantsoa Berija, nidina teny an-toerana, omaly. “Tsy voaresaka matetika ny fiompiana trondro an-tanàn-dehibe kanefa anisan’ireo mihinana trondro aman-taoniny isan’ andro”, hoy izy. Notohizany fa midadasika amina 45 ara ny renirano eo an-toerana, ary vonona hanohana ireo mpiompy ny minisitera. Tanjona ny hampitombo ny vokatra sy ny fidiram-bolany ka hahafahany mahita lalam-barotra. Ho vaindohan-draharaha ny hampidirana ireo mpiompy eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba hananany antontan-taratasy mazava ka ahafahany misitraka ireo tosika samihafa.
Toekarena
Nilaza ireo mpikambana eo amin’ny Fampivondronana ireo mpikambana mpiompy trondro eo Ankorondrano Morarano (Fipitam) fa madio sy ara-pahasalamana ny trondro eny an-toerana. Mampiasa ireo fitaovana ilaina amin’ny fiompiana izy ireo, saingy mbola tsy ampy ny fahalalana ny fenitra rehetra mifehy ny fihariana. Marihina fa asa mahavelona sy mampidi-bola ny fiompiana trondro. Seha-pihariana mbola malalaka izy io ary tombony ho antsika ny fananana renirano maro sy fari-dranomasina midadasika. Eto Madagasikara, manodidina ny 1,5 tapitrisa ny olona mivelona amin’ny jono ary endrika ahafahana mampiroborobo ny fihariana ny fitrandrahana ara-dalàna ny hazandrano mba hampaharitra azy sy ho fihariana lovain-jafy.
Henintsoa





