Bred-Solidis : Hamoraina ny fahazoana trano fonenana

Mbola sarotra ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy ny fahazoana trano fonenana azy manokana. Satria, sarotra ny fikarakarana ny antontan-taratasy, ka tsy afaka atao antoka any amin’ny banky, raha hindram-bola, sady ambony koa ny tahan’ny zanabola alainy. Izany no nahatonga ny fiaraha-miasa eo amin’ny banky Bred Madagasikara sy ny Solidis, orinasa misehatra amin’ny fiantohana ara-bola. Maro ny tombontsoa azo, satria maro ny Malagasy no ho afaka hisitraka tany na trano, tsy mila antoka, fa horaisin’ny Solidis an-tanana manontolo. Ho maivana kokoa ny fanonerana ny vola indramina amin’ny Bred, satria hatramin’ny 20 taona, sady kely ( 9%) isan-taona, ny za­nabola alaina amin’ny vola indramina.

Tsy voatery ho ny mpanambola matanjaka intsony, noho izany, no hisitraka trano fonenana.
Mahaverim-bola ny Mala­gasy

Nomarihin’ny tale jenera­lin’ny Solidis, Ravelomanan­tsoa Jean Marc, fa efa hatramin’ny taona 2014 izy ireo no niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka toy izao. Tsikaritra fa vitsy ireo Mala­gasy mpanjifa tsy nahaverim-bola, ka izay no hanohizana izao fiaraha-miasa izao. Ni­laza ny talen’ny tsena sy ny fampandrosoana ao amin’ny Bred, Ramatoa Rajoharivony Fanja, fa nohamoraina ny fisitrahana ity tolotra ity ho an’ny mpiasa na manana fidiram-bola manomboka amin’ny 500 000 Ar isam-bolana.

Njaka A.

Partager sur: