Moto nifatratra tamin’ny kamiao : zandary sy miaramila namoy ny ainy

Mpitandro filaminana roa niara- namoy ny ainy tao Toamasina raha avy any Barikadimy, ny alatsinainy lasa teo.

Nanao taingin-droa ta­min’ny moto izy ireo ary nihazo ny lalana mahitsy Antanandava. Nahi­tana kalesa tsy misy jiro maro eny amin’ny arabe. Niala iza­ny izy ireo ka nifatratra tamin’ ny fiara mpitatitra entana iray nandeha mafy, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Vokany, maty tsy tra-drano izy ireo. Potika tanteraka ny loha sy ny vatany nandritra izany. Niseho tsy lavitry ny tobin’ny Tafika na Jenia miaramila ny loza.
Miaramila kilasy voalohany antsoina hoe: Razanakoto Gilbert, 34 taona ny iray. Manam-bady aman-janaka ary avy namonjy fahoriana tao amin’ny toby ao Analan­kinina, Hopitalibe izy. Ha­monjy fodiana any Barika­dimy ary nitondra taingin-droa an-dRakotondrasoa Jean Finidi, 23 taona, zandary mpi­anatra asa ka izao niharan-doza izao. Voalaza fa hamonjy ny asany any amin’ny “Poste avancé” Antanandava io zandary io.
Notontosaina, omaly, ny fanaovam-beloma ara-miaramila azy roa lahy. Natao tao amin’ny tobin’ny zandary sy tobin’ny Tafika any an-toerana. Hihazo an’Antananarivo anio ny vata-mangatsiakan’ ilay zandary raha hoentina any amin’ny tapany atsimon’ ny Nosy ny an’ilay miaramila. Marihina fa ahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalam-pirenena faharoa hiditra an’i Toamasina raha avy any Barikadimy

Sajo sy Mino
(mpianatra asa)

Partager sur: