Filohan’ny Fanavaozana : “Tokony ho saropiaro amin’ny harem-pirenena ny raiamandreny”

“Tokony ho saropiaro sy hentitra ny raiamandreny eto an-toerana amin’ny fiarovana ireo harem-pirenena”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mickaël, ni­haona sy nitafa mivantana tamin’ireo raiamandreny ara-drazana na ampanjaka tao Mananjary, faritra Vatovavy, omaly. Izany dia manoloana ireo olana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna any an-toerana nitarainan’izy ireo. Anisan’ny fangatahana nataon’ireo ampanjaka koa ny fampandrosoana ny tanànan’i Mananjary. Eo, ohatra, ny fanadiovana ny lakandranon’i Pangalana, izay mihamarivo amin’izao fotoana izao. Eo koa ny amin’ny fanamboarana hopitaly sy ny lalana any an-toerana. Araka izany, nanome toky ny hijerena ireo asa azo atomboka avy hatrany ary faran’izay haingana ny filohan’ny Fanavaozana. Manan-danja manokana aminy rahateo ny tanàna, fa tany Manan­jary no toerana niasany voalohany taorian’ny nahavitany ny fiofanany tao amin’ny Akade­mia Miaramila.
Tsiahivina fa noraisina manokana, araka ny fomba amam-panaon-drazana any an-toerana, ny filohan’ny Fa­navaozana sy ny delegasionina notarihiny. Ho mariky ny fankasitrahana sy fanajana ary firarian-tsoa azy ireo izany, araka ny fampitam-baovao voaray. Nihazo avy ha­trany ny tranom-bakoka, toerana nihaonany tamin’ireo raiamandreny ara-drazana izy sy ny delegasionina raha vao tonga tao an-tampon-tanànan’i Ma­nan­jary. Niaraka ta­miny, tamin’izany, ny vadiny, Elisa Randrianirina. Teo koa ny mpanolotsaina avon’ny Fana­vaozana, ny kolonely Andriamiharitsoa Gervais sy ireo mpikamban’ny governemanta vitsivitsy. Fantatra fa hihaona amin’ny vahoakan’i Mananjary izy ireo.

R. Nd.

Partager sur: