FANTINA sy FINTINA

Nanomboka omaly ny fampiofanan’ny FFKM ireo mpanamora ny fikaonandoha ho an’ny distrikan’ Atsi­mondrano, natao teny Malaza. Hitohy amin’ny distrika 56 izany avy eo. « Misokatra ho an’ny rehetra ny fikaonandoham-pirenena ary ezahina handray anjara amin’izany avokoa ny sokajin’olona rehetra », hoy ny FFKM.
Manohana ny ezaka fampandrosoana eto Madagasikara ny Vondrona eoropeanina. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, ny masoivoho, Kobia Roland, teny Iavoloha, afakomaly. Naneho ny fahavononany hanampy sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana fifidianana koa izy ireo, araka ny nambarany.
Ny andraikitry ny parlemantera manoloana ireo hetsika manohitra ny zo fototra, indrindra amin’ny fanamafisana ny foto-kevitry ny Lalàmpanorenana, ny fanjakana tan-dalàna ary ny zon’olombelona. Niom­pana amin’ireo ny atrikasan’ny parlemanta, atao any Eswatini. Miatrika izany ny depiote, Fiarovana Lovanirina, voafidy tao Betafo.
Niofana ireo ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Antanifotsy. Miompana amin’ny fitantanana ny mpiasa, ny fitantanana ny fananan’ny kaominina, ny fitantanam-bola ary ny firaketana ny sora-piankohonana izany. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fanjakana tsara tantana eny anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny hetsika.

Partager sur: