Naneho ny heviny ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao andro vitsy mialoha ny hanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fehin-kevitra voaangona tamin’ny dinika fakan-kevitra teny Iavoloha, ho fanomanana ny fifidianana izao.
Hotanterahina eny Ivato, ny alatsinainy 9 sy talata 10 desambra izao ny dinika, andiany faharoa, handraisana fanapahan-kevitra iraisana ho fanatsarana ny zotram-pifidianana.
Notsiahivin’ny KMF/Cnoe ny fitakiana ny amin’ny tokony hampiharana ireo fanovana nangatahin’ny firaisamonim-pirenena, natolotra ny filoham-panjakana teny Iavoloha, ny volana septambra lasa teo. «Takinay ny famerana ny fandaniana amin’ny fampielezan-kevitra sy ny faharetan’izany», hoy ny sekretera jeneraliny, Tolojanahary Anceliot.
Itovian’izy ireo hevitra amin’ireo antoko sy ny ankamaroan’ny fikambanana politika io resaka vola ho amin’ny fampielezan-kevitra io, mba hampitovy lenta ny mpifaninana na ny mpirotsaka hofidiana amin’ireo ambaratongam-pifidianana hatao.
Etsy andaniny, notsindrin’ny KMF/Cnoe ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. «Dingana voalohany ahafahan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izany», hoy ihany izy.
Nanterin’ity fiarahamonim-pirenena ity hatrany fa hanatanteraka ny fanaraha-maso izy ireo, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Ankoatra izany, anisan’ny handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena, ho fanomanana ny fifidianana, ny KMF/Cnoe.
Synèse R.





